Nanao antso avo ho an’ireo kandida roa mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny vahoaka Malagasy ny CENI tamin’ny alalan’ny filohany Hery Rakotomanana omaly altsinainy 3 desambra.
Hisokatra anio talata 4 desambra 2018 ny fampielezan-kevitra ary hifarana ny 17 desambra amin’ny 12 ora alina. Eo anatrehan’izany dia miangavy ireo kandidà izahay mba hanaja toy ny anakandriamaso ireo lalàna manan-kery mifehy ny fifidianana. Hanaja ny soatoavina maha Malagasy antsika, dia eo amin’ny fanomezam-bahana ny fifanajana sy ny fahamarinana ary hampanjaka ny fitoniana eo amin’ny fiezahana handresy lahatra ireo mpomba, tsy hivarina any amin’ny teny tsy voahevitra na hihoa-pefy, hoy ny filohan’ny CENI. Ho an’ny vahoaka mpifidy kosa dia entanina mba hitohy haneho fahamatorana hatrany, ka tsy hivarotra ny safidiny amin’ny variraiventy, enta-madinika, kasikety na T-shirt fa handinika tsara ireo programanasa izay hatolotr’ireo kandida. Tsy ny kiantranoantrano na ny tombontsoa manokana no ifotorantsika, hoy ny lehiben’ny CENI fa ny hevi-dehibe sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka izay heverintsika fa tena mahavita no safidiantsika, fa tsy ny mamirapiratra ivelany. Ndeha ary isika rehetra hitohy hatrany haneho eo imason’izao tontolo izao fa vahoaka matotra, miantoka ny hoavin’ny firenena, eo amin’ny fampanjakana ny demokrasia ny Malagasy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.