Nanambara ampahibemaso omaly teo am-pivoahana ny lapan’ny fitsarana hifanolanana amin’ny fanjakana nanatrehany ny fitsarana nitoriana ny kandidŕ ho ben’ny tanŕnan’ny kaominina Ivato, ny filoha mpitarika ny antoko Tim eny
an-toerana, fa tsy nisy nitombina ireo fitoriana roa napetraka tamin’ny kandidà Penjy. Tsy nisy anaran’ity kandidà ity voatonona mantsy tao amin’ilay fitoriana fa anarana kandidà hafa no tao. Faly sy afa-po tamin’ny didy nivoaka, araka izany, ny mpomba ity kandidà ity ary velombelombolo eo am-piandrasana ny valim-pifidianana ofisialy hivoaka anio zoma 18 septambra 2015.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.