Politique

Filohan`ny Repoblika vaovao Mila mahay sy mampihatra ny demokrasia


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Asa goavana no hiandry ny filoham-pirenena vaovao fa kosa pejy vaovao ihany koa no hisokatra miaraka amin`izay ho lany eo.

 

Ilaina ny fahatsapan-tena an`izay filohan`ny repoblika satria matoa hilatsaka hofidiana dia mazava fa olona faratampony ka tokony hahay, hiomana, hanaja ny safidim-bahoaka. Araka izany, mila mahay sy mampihatra ny demokrasia izay hiakatra eo. Tsy izy irery fa na hatramin`ny mpiara-dia aminy. Noho izany, ezaka goavana no miandry izay ho filoham-pirenena fa raha misy finiavana dia ho mora ny fanatanterahana azy. Fanomezan-danja ny filaminam-bahoaka no antoka iray amin`ny fampandrosoana sy fitoniana aorian`ny fifidianana. Raha tena fikatsahana hahasoa ny firenena tokoa no himasoana dia tsy maintsy halavirina ny adilahy politika, ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra. Mila misokatra amin`ireo firehana maro samihafa ny tanjona satria filohan`ny Malagasy fa tsy filohan`ny olom-bitsy. Eo ihany koa ny fanohizana ny tetikasan`ny filoha teo aloha ka mila ampirimina ny hambom-po politika fa ny tombontsoan`ny Malagasy no banjinina mba hananan`i Madagasikara toerana sahaza azy eo amin`ny iraisam-pirenena. Filoha tena vanona sy hanaja ny teny nomeny no irariana ho lany eo mba tsy handiso fanantenana indray. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa, mahery loatra ny fifankahalana sy fihantsiana ka ahiana hanahirana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT