Politique

Filohan’ny HCC notorian’ny depiote Mapar Iza no hitsara azy, hoy ny Ambalambahoaka ?


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Nampametra-panontaniana olona maro tao ho ao ilay resaka hoe : fitorian’ny depiote vondrona Mapar ny filohan’ny HCC. Iray amin’ireo izay mba nametraka fanontaniana tamin’izany ny mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Ambalambahoaka,

 

Atoa Harisson Jean, ka niteny tamin’ny mpanao gazety hoe : “Iza ary no hitsara ny HCC izay anisan’ny mbola faratampon’ny lalàna eto amintsika aloha hatreto amin’izao tsy mbola fitsanganan’ny HCJ izao ? Resaka fanakorontanana fotsiny amin’iny izany vinavinan’ireo ampahana solombavambahoaka Mapar ireo, hoy izy, fa tsy misy vahaolana hialantsika amin’izao krizy vaovao izao indray sy ny fahasahiranan’ny vahoaka afa-tsy ny firosoan’ny rehetra amin’ny fifampidinihana mazava. Mila fitoniana ny vahoaka amin’izao Asaramanitra izao, hoy ity mpandrindra nasionalin’Ambalambahoaka ity ka aoka mba tena hahay hifanara-tsaina ny rehetra, indrindra ireo mpanao politika.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT