Politique

Filohan'ny HAFARI Malagasy Tsy matahotra ny hosamborina


  • Sabotsy 06 Desambra 2014

Tsy matahotra ny hosamborina ny filohan'ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Tsy matahotra ny hogadraina koa, hoy hatrany izy raha nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly.

Taorian'ny fiantsoana azy teny amin'ny zandary Antananarivo Renivohitra no nanambarany izany no sady mbola niantsoany ihany koa ireo izay ao ambadik'ity raharaha ity mba sahy hiseho mivantana fa tsy hiafinafina any ambadika any. Apetraho ny fitoriana, hoy hatrany izy raha tena marina ny fanendrikendrehana sy ny fiampangana azy. Notsindriany manokana moa fa tsy maintsy manefa ny adidy tokony hatao amin'ny mpiara-belona aminy izy na inona na inona fanenjehana atao aminy. Efa ampy azy ny zava-bitany sady lova tsara avelany ho an'ireo taranany. Nisy moa ny fampandehanana azy hohenoina teny amin'ny fampanoavana omaly hariva saingy tsy tonga izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT