Manoloana ny voina mitranga eto amin’ny firenena dia nanao antso avo tamin’ny mpiray tanindrazana rehetra ny filohan’ny fikambanana AFABE Doudou Michel mba samy hitondra izay voatsirambin’ny tanany.
Nosinganiny manokana tamin’izany ireo mpanao politika izay milaza azy ho henjana mba hamonjy ny vahoaka fa tsy hidera tena an-gazety na amin’ny vata fahita lavitra fotsiny. Ankoatra izay dia nasiany resaka manokana ny mikasika ilay sata mifehy ny fizarazarana an’Antanananarivo. Nambaran’ny tamin’izany fa tsy mankasitraka an’io velively ny fikambanana AFABE. Na ny samy kaominina aza mantsy hoy izy hiady amin’io indrindra fa mikasika ny hetra tokony alohan’ireny taxi-be ireny. Nisy moa ny fanoloran’ny fikambanana fanampiana ho an’ireo traboina ao amin’ny Boriborintany fahadimy ka anisan’ireny ny tao Andraharo, Ambodivoninkely, ary Anosivavaka. Vary iray kamiao sy menaka ary savony no natolony tamin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.