Tonga teny Ivato ihany koa ny filohan’ny CRN Atoa Tabera Randriamanantsoa omaly. Araka ny nambarany moa dia hanatitra fehin-kevitra hodinihin’ireo mpivory eny an-toerana ny tenany.
. Raha ny voalazany hatrany dia mitovy amin’ny fehin-kevitra 33 natolotry ny FFKM hodinihin’ireo filoha efatra teo aloha sy ny filohan’ny repoblika am-perinasa ny fehin-kevitra novolavolain’ireo mpikambana ao amin’ny CRN. Manantena moa ny tenany fa horaisin’ny mpivory eny an-toerana ity fehin-kevitra natolotry izy ireo ity. Nialoha ny nanombohan’ny fivoriana niarahan’ireo filoha efatra teo aloha sy ny filoha am-perinasa ary ny FFKM moa no niditra tao amin’ny efitrano nisian’ny fihaonana ny tenany ary avy eo dia nivoaka namonjy fodiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.