Politique

Filohan’ny antenimieram-pirenena Niaro ny depiote Mara Niarisy


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Nilaza omaly ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max fa mahatsapa ry zareo ao amin’ny birao maharitra hoe : “tsy voahaja ny andininy faha-73 ao anaty lalŕmpanorenana izay manambara fa tsy misy

 

solombavambahoaka azo henjehina na samborina mandritra ny fotoana izay tsy hivorian’ny Antenimieram-pirenena ary eo anatrehan’izany ihany koa raha ohatra misy zavatra mampiahiahy na heverina fa tokony hanenjehana azy dia manan-jo ny olona izay mieritreritra izany hametraka fitoriana na fitarainana eny anivon’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena dia anjaran’io birao io no manapa-kevitra amin’izay tokony hatao”. Eto aloha dia manameloka ny fomba rehetra natao mahakasika ny fananan’ity solombavambahoaka ity, toy ny fisavana ny toeram-ponenany, ny fakana ny ombiny … izahay, hoy Rakotomamonjy Jean Max, ary efa nampilaza tamin’ny praiminisitra sy ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandriampahalemana mba hanaraka ny pitsopitsony amin’ny fanaovana fisavana tahaka itony amin’ny maha solombavambahoaka ny depiote Mara Niarisy. Tsy miditra amin’izay votoatiny izahay fa ny mahasarotiny dia voahitsakitsaka ny lalàmpanorenana noho ny fikitihana solombavambahoaka voafidy ara-dalàna izay tsy tratra ambodiomby nanao ratsy akory, hoy izy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT