Ny 25 janoary 2019 no tetiandro voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana andraisan`ny filohan`ny Repoblika vaovao ny fitantanana ny firenena. Maro ny asa hiandry azy rehefa tonga eo amin`ny fitondrana.
Nisy ny fangatahana fanovana ifotony ny lalàmpanorenana tamin`ny taon-dasa saingy tsy nisy ka nihazakazaka niroso tamin`ny fifidianana filoham-pirenena. « Regime parlementaire » no misy eto Madagasikara, izany hoe na lany aza ny filoham-pirenena, tsy izy no mametraka praiminisitra lehiben`ny governemanta. Araka ny and. 54 amin`ny lalàmpanorenana navoaka tamin`ny jona 2018 teo, nazava fa tsy maintsy ny antoko politika na fikambanana politika manana isa maro indrindra no afaka manolotra ny anaran`ny praiminisitra ka avy eo tendren`ny filoham-pirenena izay ho lany eo. Midika izany fa ny olona lany ho filoham-pirenena dia tsy maintsy miomana sahady amin`ny fifidianana solombavambahoaka mba hahazoana ny maro an`isa. Ny zava-misy mantsy, maro ireo kandidà mantajaka satria misy filohana andrimpanjakana amin`izao sy teo aloha maromaro. Tsiahivina fa ny fifidianana solombavambahoaka dia mahenika ny faritany rehetra. Atahorana harefo ihany ny filoham-pirenena izay hitondra eo amin`ny dimy taona manaraka noho ny tsy maintsy fampiharana ny and-54 ary noho ny fisian`ny kandidà mantajaka mifaninana amin`izao fifidianana izao. Ireo kandidà ireo mantsy dia mety efa manomana fifidianana solombavambahoaka. Misy mihitsy kandidà milaza fa rehefa lany izy dia hofoanany ny antenimierandoholona satria toy ny manara-drenirano izay tapaka eny anivon`ny antenimieram-pirenena fotsiny ka mandany vola. Misy fiantraikany goavana izany satria ny fisian`ny antenimiera roa no nahafahana nanana ihany koa ny tsy fitongilanana hatreto. Raha moramora amin`ny fitondrana ny mety mahazo amin`ilay “senat” dia ho sarotra kosa no hahazo ny antenimieram-pirenena. Mety ahitana soritra faharefoana ihany izay ho filoham-pirenena ho lany eo raha tsy miezaka manana ny isan-jaton`ny maro an`isa ao anatin`ny antenimieram-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.