Ny 25 janoary 2019 no tetiandro voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana andraisan`ny filohan`ny Repoblika vaovao ny fitantanana ny firenena. Maro ny asa hiandry azy rehefa tonga eo amin`ny fitondrana.
Marihana fa nisy ny fangatahana fanovana ifotony ny lalàmpanorenana tamin`ity taon-dasa ity saingy tsy nisy izany ka nihazakazaka niroso tamin`ny fifidianana filoham-pirenena. Marihana hatrany fa « regime parlementaire » no misy eto Madagasikara ka na lany aza ny filoham-pirenena, tsy izy no mametraka praiminisitra fa araka ny and. 54 amin`ny lalàmpanorenana, izay hiverenana tamin`ny didy navoaka tamin`ny jona 2018 teo, nazava fa tsy maintsy ny antoko politika na fikambanana politika manana isa maro indrindra no afaka manolotra ny anaran`ny praiministra ka avy eo tendren`ny filoham-pirenena izay ho lany eo. Midika izany fa izay olona lany ho filoham-pirenena dia tsy maintsy miomana sahady amin`ny fifidianana solombavambahoaka mba hahazoana izay maro. Ny zava-misy mantsy, maro ireo kandidà mantajaka satria misy filohana andrimpanjakana amin`izao sy teo aloha maromaro. Tsiahivina fa ny fifidianana solombavambahoaka dia mahenika ny faritany rehetra. Atahorana harefo ihany ny filoham-pirenena izay hitondra eo amin`ny dimy taona manaraka noho ny tsy maintsy fampiharana ny and 54 ary noho ny fisian`ny kandidà mantajaka mifaninana amin`izao fifidinana izao. Ireo kandidà ireo mantsy dia mety efa manomana fifidianana solombavambahoaka. Mety ahitana soritra hoe harefo ihany izay ho filoham-pirenena ho lany eo raha tsy miezaka manana ny isan-jaton`ny maro an`isa ao anatin`ny antenimieram-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.