Nitondra fanazavana mahakasika ny dingana tokony harahin’ny filoham-pirenena vaovao ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza. Voalohany, tsy maintsy hirosoana ny fianianana ampahibemaso amin’ny fomba manetriketrika.
Mandritra io fotoana io no hametrahana ny samboady amin’ny maha filoham-pirenena azy izay ary hanaovany fianianana ampahibemaso izay hotarihan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Manomboka eo vao afaka miasa ary mihatra ny hoe “chef supreme des forces armées”. Nilaza ity mpahay lalàna ity fa ny lalàmpanorenana dia mamaritra fa ny filoham-pirenena teo aloha izay nametra-pialana no manao fifamindram-pahefana amin’ny filoha vaovao miditra fa tsy miaraka ny filoham-panjakana izay filoham-pirenena mpisolo toerana. Voalaza ao amin’ny and 54 ao anatin’ny lalàmpanorenana fa tsy maintsy manolotra ny anaran’izay olona hotendrena ho lehiben’ny governemanta izay avy amin’ny antoko na fikambanana antoko manana solombavambahoaka maro an’isa ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nomarihin’i Imbiky Herilaza kosa fa tsy maintsy atao mialoha ny 06 febroary 2019 izay fe-potoana fahataperan’ny fotoam-piasan’ireo depiote ireo. Rehefa vita sy voatendry ny lehiben’ny governemanta dia ity farany no manolotra izay mpikambana handrafitra izany. Rehefa vita ireo pitsopitsony ireo dia afaka manomboka ny asany ny filoham-pirenena vaovao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.