Rava ilay didim-panjakana mametra ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc harahi-maso amin’ny toerana voatokana. Nisahana ny fampiharana azy io hatramin’ny volana oktobra 2014 ny mpitandro filaminana, araka ny toromarika avy amin’ny fitondram-panjakana tarihan’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.
Miisa 12 ireo mpikambana zandary niandraikitra izany, hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Paza Didier. Tsy azo adinoina ihany koa anefa fa zon’ireo filoham-pirenena teo aloha rehetra ny mahazo fiarovana avy amin’ny fanjakana izay voarakitry ny satan’ireo mpitondra nifandimby novolavolaina nandritra ny tetezamita. Tsy maintsy hisitraka ny zony ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc aorian’ny fanagadrana ankolaka nihatra taminy, hoy ny fanampim-panazavana avy amin’ity manamboninahitra ambony mpikambana eo anivon’ny governemanta ity.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.