Politique

Filoham-pirenena sy ny depiote Hihaona indray ato ho ato


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Nisy ny fivoriana miafina nataona vondrona solombavambahoaka omaly. Tsy azon’ny mpanao gazety natrehana izy ity, saingy fantatra ihany fa nisy fifandraisany tamin’ny resaka « pacte de responsabilité ».

 
Samy manana ny fomba filazany momba io fifanarahana io moa ireo depiote izay nanontaniana, fa ny azo antoka fotsiny dia misy zavatra mbola mampiady hevitra ao amin’ilay izy. Re omaly fa hotanterahana ato ho ato ny fihaonana eo amin’ny filoham-pirenena sy ny depiote ho fanohizana ny dinika natomboka tamin’ny 1 jolay lasa teo, tsy mbola tapaka mihitsy ny fifampiresahana, hoy ireo depiote nanontaniana saingy tsy nisy kosa anefa ny hevitra niombonana tapaka hatreto aloha. Mandeha koa anefa ny feo, etsy an-kilan’izay fa raha tsy misy mihitsy ny marimaritra iraisana dia hiverina indray ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny amin’ny antenimieram-pirenena, ary azo heverina ihany koa ny mety handravan’ny filoha Rajaonarimampianina ny antenimieram-pirenena ka hiantsoany fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana mba hamoahana ny maro an’isa vaovao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT