Tontosa omaly ny fihaonana voalohany teo amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny solontenan’ny solombavambahoaka mikasika ny fampiharana ny hafatry ny fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana amin’ny fampiharana ny « Pacte de responsabilité »
amin’ny hitantanana ny firenena. Nandritra ity fihaonana voalohany ity ary dia nisongadina ny fitakian’ireo solombavambahoaka ny fampiatoana ny ramatahora ataon’ny fanjakana na ny atao hoe fanjakana mpampihorohoro. Voakasika amin’izany ny raharaha nisamborana ny depiote Lanto Rakotomanga noho ny raharaha 200 tapitrisa ariary. Efa nanaovan’ny solombavambahoaka fanamarihana iny raharaha iny ary ny birao maharitra dia tsy nanaiky ny nanalana ny zo tsy maty manotan’ity depiote ity. Manana ny fepetra napetrany ihany koa araka ny fantatra ny filoham-pirenena koa dia samy handinika kely aloha ny roa tonta. Tsara kokoa raha tsy eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha intsony fa any amin’ny toeran-kafa no hihaonana amin’ny manaraka, hoy ireo depiote. Tsy nisy ny fanapahan-kevitra mbola noraisina ary hita ho mbola mifamolaka mihitsy aloha ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka. Efa ny HCC no nanome alalana amin’ny hihaonanay sy ny filohan’ny repoblika, hoy ny Depiote Mapar Jean Brunel Razafitsiandraofa ka tsy mitombina noho izany ny filazana fa voahitsaka ny lalàmpanorenana. Ho an’Atoa Rakotonarivo Thierry mpitarika sendikaly sady « administrateur civil » dia tokony hanangana governemantan’ny firaisam-pirenena ny fitondrana ankehitriny ary ilaina vita alohan’ny hanaovana ny fifidianana ben’ny tanàna ny fametrahana ny « Pacte de responsabilité ».Farany, dia tsara ho marihana fa na ny filoham-pirenena , na ireo depiote dia samy nandà ny hidiran’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanelanelana amin’izao fifampidinihan’ny roa tonta izao
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.