Eo am-piandrasana ny hambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mikasika ny fangatahana hanonganana ny filohan’ny Repoblika amin’ny toerany dia re izao fa misy fikasana andiana depiote tamin’ireo nanongana hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika
. Ireo namany manohana ny filoha no hatao mampita hafatra. Raha ny fanirian’izy ireo dia fihaonana mangina lavitry ny fakantsary sy ny fandraisam-peo no hatao. Tsy nambara ny mety ho votoatin’ny dinika fa ny re dia am-polony ireo depiote mangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena ireo, ary mihevitra ny rehetra, fa tsy handà izay fifanatonana izay ny filohan’ny Repoblika rah any lojikan’ny antso fitoniana averimberiny matetika. Voafitaka tany ho any sa mahatsapa fa tsy misy vahaolana ankoatra ny fifampidinihana ireto depiote ireto. Na inona na inona anefa dia fanirian’ny rehetra ny hisian’ny fifanatonana, satria hovidian-dafo raha hiverina indray ny korontana politika eto. Ny fanontaniana fotsiny dia ny hoe hialoha ny valin-teny havoakan’ny HCC ve io fihaonana io sa ho aoriana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.