Tontosa iny ny fifidianana na dia maro toy ny efa nitranga tamin’ny fihodinana voalohany ihany aza ny tsy fahatomombanany. Isan’ny naneho ny heviny mikasika izay ny mpanao politika, Dany Rakotoson.
Maro ny asa miandry izay filoham-pirenena ho avy eo, hoy ity filohan’ny antoko politika Aba na antokom-bahoaka Malagasy ity, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny andraikitra miandry izay filoham-pirenena vaovao eo. Ny zava-misy dia very hasina ankehitriny ny politika eto Madagasikara. Ny politika anefa no iankinan’ny zavatra rehetra. Io ihany no ahafahana manatsara ny fiainam-bahoaka. Mpisoloky politika izay mitady seza no tena maro eto. Mampatahotra satria ireo no matetika no mahazo fitondrana dia lasa ambon’ny lalàna nefa mpisoloky politika no ankamaroany. Matoa tsy mandroso ny sosialy sy ny toekarena na ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny mihitsy dia tsy misy politika mazava tsara mikasika an’ireo. Voailika, hoy hatrany ity filoha ity, ireo tena mpanao politika. 25 tapitrisa fotsiny ny Malagasy. Ny frantsay miisa 70 tapitrisa nefa mbola kely velarantany noho isika fa mahazo ny asa sahaza azy ny ankamaroan’ny mponina any fa tsy toy ny eto. Ny dikan’izany dia tsy mazava tsara koa ny politikan’ny asa eto. Ny zava-misy dia be ilay antsoina hoe “Activisme”, izany hoe fahamehan’ny mpitondra hanao foto-drafitrasa goavana nefa tsy misy ilana azy ka raha mbola hilingilingy hanao izay “activisme” izay fotsiny izay mpitondra ho avy eo dia tsy hampandroso mihitsy, hoy ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.