Tsy azo lavina fa tena migadra ny Filoha Ravalomanana any Antsiranana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko MFM Rakotovazaha Olivier
Tsy afaka nifandray taminy na tamin’ny alalan’ny telefaonina na tamin’ny alalan’ny mailaka ny delegasiona Ravalomanana nandray anjara tamin’ny fihaonana Fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM farany teo izay nahatsiaro fa tena voan’ny mizàna tsindrian’ila raha miohatra amin’ny delegasiona efatra hafa, hoy ity Minisitry ny Fitaterana teo aloha ity raha nandray fitenenana izy teo amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy teo. Tsy mba nalalaka toy ny Filohan’ny MFM Manandafy Rakotonirina izay notazonin’ny Mpanongam-panjakana tany Mantasoa tamin’ny 2009 izay nanana telefaonina nifandraisany tamin’ny rehetra izy. Afaka nandray olona isan’andro izy, na ny fianakaviany na ny mpiara-mitolona aminy na ny Masoivohom-pirenena Amerikanina …ary nisy fahitalavitra sy nahazo gazety. Tsy hitanay ny vokatry ny Fifampiraharahana Avo Lenta ataon’ny sasany ka tsy hangina ary tsy maintsy manapoitra ny tsy rariny atao amin’ny Filoha Ravalomanana ny MFM. Tsy misy olona afaka mibaiko ny MFM amin’izany ka hampangina azy, hoy ihany ny Sekretera Jeneralin’ny MFM.
Asan’ny “Mafia”
Raha niresaka ny firongatry ny halatra omby sy ny adihevitra nandeha tato ho ato dia nilaza indray izy fa vokatry ny asan’ny “Mafia” no mahatonga an’ireny satria mpandraharaha kely hery miray petsapatsa amin’ireo orinasa madinika sy salasalany Frantsay miisa 600 mahery eo ho eo miaina amin’ny karama kely omena ny mpiasa sy mpikarama malagasy no misy eto amintsika. Omby halatra sy sakafo mora avy amin’ny hala-botry no ahafahan’ny mpiasa sy mpikarama miaina hatramin’izay, hoy izy. Tsy ho foana ny halatra omby sy ny sisa raha ny tombontsoan’ny “Mafia” no arovana eto. Aza manantena fampisondrotan-karama eo na Mpiasa amin’ny tsy miankina na ny Mpiasam-panjakana. Jereo fotsiny ny tetibolam-panjakana aroso eny amin’ny Antenimieram-pirenena, hoy ihany Rakotovazaha Olivier. “Fanjakana saribakoly “fantôche” araky ny lazain’ny MEDIAPART no lalaovin’ny Frantsay eto amintsika ka aza manantena fiovana izany isika.
Manaja ny sata repoblikanina
Tokony handray lesona amin’ny tantara koa ny Mpitondra eto amintsika ka hahay hanaja ny sata repoblikanina sy ny fifandanjan-kery misy fa izay no nahatonga ny fiovaovan’ny fitondrana teto amintsika. Azo ialana ny faharavan’ny Fitondram-panjakana raha voahaja izany toy ny ataon’ny Filoha Obama any Etazonia ankehitriny rehefa resy tamin’ny fifidianana ny Antoko Demokraty tamin’ny fifidianana ny kongresy Amerikanina”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MFM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.