Hiombonako manana amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ny voalazany tao anaty kabarim-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny alarobia 29 jolay, hoy ny filoha lefitry ny Antenimiera Faritanin’i Fianarantsoa, tamin’ny fiantsoana an’ireo Vondrona Iraisampirenena hitodi-doha amin’ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara amin’izay ao anatin’izao fitondrana ara-dalàna izao
Manontany ianao hoe : ahoana ny fampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ao anatin’ny fepetra hahazoana manatanteraka izany ? Ho ahy solombavambahoaka voafidy tany Ambalavao, tsy olana ho ahy na ho tonga izy na tsy ho tonga fa ny zava-dehibe dia ny hoe : hiteraka fahatoniana eto ve izany ? Fotoanany tokoa ve izao ? Raha eny dia mifampiresaka ny tompon’andraikitra voakasika dia atao. Ny ahy ny tadiaviko izao dia milamina ny tanàna fa efa ela izay krizy izay, reraka ny vahoaka. Ny vahoakan’Ambositra izao, ankoatra ireo fotodrafitrasa sy fitaovan’ny hopitaly efa nomena azy ireo dia mbola miandry fatratra ny fanampiana azy ara-pitaovam-pambolena sy ny masom-boly ary zezika isan-karazany fa fotoam-pambolena izao. Eo koa ny fanampiana amin’ny sehatry ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy io ary dia ho ataonay depiote voafidy avy any an-toerana avokoa izany ato ho ato. Ny tatitra fanaon’ny solombavambahoaka isaky ny tsy misy fivoriana hatrehana moa dia tsy olana ho anay depiote any Ambositra satria ny tenako tavela aty amin’ny maha-mpikambana amin’ny birao maharitra ahy fa ny namako no manao izay ho afany any (fa iray fikambanana izahay mirahalahy). Tonga any ihany aho rehefa tena misy ilana ahy araka ny fifandraisanay tsy tapaka. Eto Tsimbazaza izahay birao maharitra na mivory tsy tapaka aza dia mamolavola fandaharam-potoana fotsiny no ataonay fa ny fivoriambe no manapaka izay ho arahina avy amin’ireo volavolan-dalàna atolotry ny avy amin’ny mpanatanteraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.