Miantso ny PRRM ho mailo amin’ireo manodidina azy
Naneho hevitra indray ny Pr Joseph ! Misaotra Andriamanitra lehibe, fa tontosa soa aman-tsara ny fankalazana ny datin’ny 14 Oktobra izay nankalazaintsika ny nahaterahan 'ny Repoblika Malagasy iny, ary hisaorana ihany koa ny filohan 'ny fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM Kolonely Randrianirina Michaël nahasahy nijoro, ka nahatonga iny fankalazana lehibe iny ho tontosa. Fa raha nihaino tsara ny kabary nataon ' Atoa filoham-panjakana Randrianirina Michaël aho, dia anisan 'ny zava - dehibe nisongadina tao ilay tenin ' i Jesosy izay voasoratra ao amin 'ny ( Jaona, 3 ; 3 ) manao hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan ' Andriamanitra. Heverina araka izany, fa tena zava - dehibe iny fampitan - kafatra nataon 'ny Kolonely Randrianirina Michaël iny, izay nifanojo indrindra ny andro fankalazana ny tsingerin - taona nahaterahan 'ny Repoblika Malagasy. Koa ho mariky ny tena fitiavan - Tanindrazana, dia tokony hiova ho olom-baovao avokoa isika vahoaka Malagasy izay napetrak ' Andriamanitra eto amin ' ity Madagasikara Tanindrazana iombonatsika ity, ka mba hihavao avokoa ny toe - tsaina sy ny toe - po amam-panahy, fa hoy ny voasoratra ao amin 'ny ( Romana, 12 ; 2 ) manao hoe : Ary aza manaraka ny fanaon ' izao tontolo izao ; fa miovà amin 'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon ' Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina, hoy hatrany i Pr Joseph. Koa manoloana izay fahamarinan ' Andriamanitra izay, mba hahatonga antsika hahaleotena tanteraka, dia andeha ialana sy hofoanana, hoy izy, ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara. Mila trandrahana ara - drariny ny volamena sy ny arena ankibon 'ny tany rehetra eto amitsika, ka ianao dia ianao irery ihany « Mon Colonel » Randrianirina Michaël no mitondra sy mivarotra izany any ivelany. Raha tanteraka izany hoy Pr Joseph dia ny harena nomen ' Andriamanitra ho antsika irery ihany no hampandroso antsika amin 'ny lafiny rehetra, ary dia hahaleotena tanteraka i Madagasikara. « Izao anefa Mon Colonel Randrianirina Michaël : hinoako fa tena ao an-tsainao ary miredareda ao am - ponao ny hahatonga ity firenetsika ity hahaleotena, saingy mety mbola misy olona ampiasain 'ny frantsay tafiditra ao amin 'ny manodidina anao ao amin 'ny fitondrana ao, hanohitra ny hisian'ny fahaleovantenan ' i Madagasikara ? Koa antso avo no hataoko aminao tompoko ; diniho ambony, diniho ambany ny famindran'ireo olona izay miara-dàlana aminao, ary aoka ho mailo hatrany, fa hoy ny tenin ' Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Jeremia, 9 ; 3 ) manao hoe : Samia miaro tena amin 'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza ; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy. », hoy hatrany i Pr Joseph miantefa amin’ny PRRM.
Pati
Legende : Ny Pr Joseph mpandinika raharaham-pirenena sady mpanompon’Atra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.