Politique

Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Fianarantsoa Tsy olana na mody na tsy mody i Marc Ravalomanana fa tanŕna milamina no izy


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Hombonako manana amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ny voalazany tao anaty kabarim-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana androany alarobia 29 jolay, hoy ny filoha lefitry ny Antenimiera Faritanin’i Fianarantsoa, tamin’ny fiantsoana an’ireo Vondrona Iraisampirenena hitodi-doha amin’ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara amin’izay ao anatin’izao fitondrana ara-dalŕna izao. Manontany ianao hoe :

ahoana ny fampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ao anatin’ny fepetra hahazoana manatanteraka izany ? Ho ahy solombavambahoaka voafidy tany Ambalavao, tsy olana ho ahy na ho tonga izy na tsy ho tonga fa ny zava-dehibe dia ny hoe : hiteraka fahatoniana eto ve izany ? Fotoanany tokoa ve izao ? Ny ahy ny tadiaviko izao dia milamina ny tanàna fa efa ela izay krizy izay, reraka ny vahoaka. Ny vahoakan’Ambositra izao, ankoatra ireo fotodrafitrasa sy fitaovan’ny hopitaly efa nomena azy ireo dia mbola miandry fatatra ny fanampiana azy ara-pitaovam-pambolena sy ny masom-boly ary zezika isan-karazany ary koa ny fanampiana amin’ny sehatry ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy ary dia ho ataonay depiote voafidy avy any an-toerana avokoa izany ato ho ato. Ny tatitra fanaon’ny solombavambahoaka isaky ny tsy misy fivoriana hatrehana moa dia tsy olana ho anay depiote any Ambositra satria ny tenako tavela aty amin’ny maha-mpikambana amin’ny birao maharitra ahy fa ny namako no manao izay ho afany any (fa iray fikambanana izahay mirahalahy). Tonga any ihany aho rehefa tena misy ilana ahy araka ny fifandraisanay tsy tapaka. Eto Tsimbazaza izahay birao maharitra na mivory tsy tapaka aza dia mamolavola fandaharam-potoana fotsiny no ataonay fa ny fivoriambe no manapaka izay ho arahina avy amin’ireo volavolan-dalàna atolotry ny avy amin’ny mpanatanteraka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

Hijery ny tohiny
FTT