Politique

Filoha ho lany aorian’ny fifidianana Hiankinan’ny hoavin’ny mpandraharaha


  • Talata 11 Desambra 2018

Na dia nisy aza ny fihaonan’ireo filohana mpandraharaha matanjaka tamin’ireo kandida mianaka tamin’ny farany teo nanontanian’izy ireo ny hevitr’ireo kandida ny amin’ny tontolon’ny fandraharahana dia hita ho malina ihany aloha izy ireo ny amin’ny zava-misy amin’izao fotoana.

 

 

Iaraha-mahalala fa matahotra manao fandraharahana sy mampiasa vola ny olona ka zara raha misy akony amin’ny toekarena. Aleo mihitsy aloha hivaly ny fifidianana, hoy ny ankamaroan’ny mpandraharaha maro vao mipingapinga manodim-bola fa tsy fantatra ny havoakan’ny ampitso. Hita taratra fa tahotra ny tsy mbola hisian’ny fitoniana politika izany kanefa tena takian’ny mpandraharaha ary hiaingan’ny fahamarinan-oerana ara-toekarena. Raha ny tokony ho izy, mila mitohy ny fandraharahana, indrindra amin’izao akatoky ny fety izao mba ahafahana tena manodim-bola na amin’ny sehatra madinika na ny orinasa lehibe sy salantsalany. Antony mampifotetaka hatrany ny toekarena Malagasy ny fahalainan’ny mpandraharaha mampiasa ny volany. Soa ihany fa manana filoha mahay sy mahafehy io tontolo io ny Malagasy fa latsa-bato sisa no andrasana. Iaraha-nahita sy mahalala mantsy ny  fandraharahana nataon’i Marc Ravalomanana izay sady tena nahomby no niteraka asa marobe ho an’ny Malagasy ka izy ihany aloha no filoha manana traikefa sy fanomezam-pahasoavana manokana ny amin’izany

Tsirinasolo

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT