Anisan’ny nanakianan’ny vahoaka matetika an’Atoa Hery Rajaonarimampianina ny lafiny ara-tsosialy izay tsy voajery loatra nandritra ny nitondrany. Ny alahady teo nandritra ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta dia mbola fanontaniana napetraky ny mpanao gazety ny mahakasika ity sosialin’ny mponina ity
. Tamin’izany dia nilaza ny filoha fa sady mahita izy no mahare ireo fitarainana ataon’ny mponina ary mbola mahita lavitra ny tsy hitan’ny sasany aza. Azo lazaina izany fa mahafantatra tsara ny olana mianjady amin’ny vahoaka izay efa latsaka an-katerena ny tenany fa saingy mody fanina sy minia tsy mahita fotsiny ve izany ? Raha ny hita mantsy dia mbola resaka sy fandaminana ny saim-bahoaka fotsiny no nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hatramin’izay. Herintaona izay ny fitondrana Rajaonarimampianina in-droa niova ny governemanta iaraha-mahita ny vokatra fa mbola sarotra ny lalana raha ho an’ny Malagasy. Nilaza anefa ny filoha fa fanjakana vonon-kiady no mijoro ankehitriny ary kolontsain’ny vokatra no antony nanoloana ireo mpikambana tao amin’ny governemanta. Araka izany dia miandry ny vahoaka ary enga anie tsy ho kobaka am-bava sy fampiesonana indray ny resaka teny Iavoloha ny alahady teo ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.