Raikitra indray ! Hitohy etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina anio ny dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM. Efa samy nandefasan’ireo filoham-piangonana fanasana avokoa ireo filoham-pirenena teo aloha isany Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny
tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina ary ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Narahin’ny fandresen-dahatra ireo filoha roa, Pr Zafy Albert sy Andry Rajoelina, hiverina amin’ny zotran’ny fampihavanam-pirenena efa natomboka izany. Fihaonana fanim-balony ity hatao anio ity, izay hifantoka amin’ny “fanomanana ny dingana manaraka amin’ny fampihavanana dia ny fihaonambe nasionaly”, araka ny voalazan’ny fanasana naparitaka ny 18 martsa teo. Raha ny re omaly dia tsy hanatrika ity fihaonana ity i Andry Rajoelina, fa hamory ireo solombavambahoaka MAPAR. Mbola ao anatin’ny fandinihana ny fanapahan-kevitra horaisina kosa ny Pr Zafy Albert. Nanamafy ny filoha am-perinasan’ny FFKM, pastera Lala Rasendrahasina fa “hisy ny fihaonana” anio. “Anjaranay ny miantso fa ho hita eo ny fandehany”, hoy izy nanohy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.