Politique

Filoha Dimy Nisafidy manokana ny isa 7…


  • Alarobia 28 Janoary 2015

Hitohy anio ny fivorian’ireo filoham-pirenena teo aloha isany Zafy Albert, Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana miaraka amin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina ary ny filohan’ny Repoblika am-perinasa, Hery Rajaonarimampianina, eo ambany fitarihan’ny FFKM mankany amin’ny

 

fampihavanam-pirenena. Fihaonana fanimpitony ny anio, rehefa nanomboka tamin’ny 19 desambra 2014. Kisendasendra sa nokendrena ho aty amin’ny fanimpiton’ny dinika vao hanapahan-kevitra ireo filoha dimy ny amin’ny fomba sy endrika hanatanterahana ilay fihaonambe momba ny fampihavanam-pirenena hatao eto Antananarivo amin’ny volana martsa izao. Isa masina sady milaza fahafenoana sy hatsarana ny fito teo amin’ny Malagasy, ka nilazany hoe avadibadiho im-pito ny lela vao miteny, aleveno im-pito mandifitr’olona ny ratsy rehetra, ilay fito (toetr’andro), miteraha fito lahy fito vavy (fianakaviana), hanim-pitoloha … Moa va tsy manandro ireo mpivory eny amin’ny CCI Ivato ? Aorian’ity fivoriana fanimpitony ity mantsy no voalaza fa “hanapahan-kevitra maika momba ny fiainam-bahoaka”, araka ny nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, taorian’ny dinika teny amin’ny hotely kintana dimy eny Ivato, omaly.  Nambarany fa miainga avy any ifotony ny hevitra momba izany ary haravona izany ka hatolotra ny fitondrana am-perinasa mba hotanterahiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT