Politique

Filoha 5 Tsy mahavita devoara


  • Zoma 23 Janoary 2015

Hotohizana amin’ny talata ho avy izao indray ny fampihaonana ireo filoha dimy, Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina tarihin’ny FFKM. Fihaonana fanineniny io, rehefa nosantarina tamin’ny 19 desambra 2014.

 

Ezahina hovitaina amin’io ny famaliana ireo fanontaniana niisa 33 nomen’ny FFKM azy tsirairay avy mba hovaliana, handrafetana ny fototry ny fampihavanam-pirenena tian-kapetraka eto amin’ny firenena, hoy ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Nanampy fanazavana ity farany fa nodinihina nandritra ny fihaonana omaly teny Ivato ny hanatanterahana ny fanitarana ny fihaonana any amin’ny faritra. Nambarany fa hovitaina mialoha ny faran’ny volana febroary ny fanomanana sy fanofanana ireo olona any ifotony mialoha ny hirosoana amin'ny fihaonambem-paritra hatao amin’ny volana martsa. Hisy vaomiera samihafa hatsangana, toy ny vaomieran’ny Fahamarinana sy ny fampihavanana, ny vaomieran’ny Fanonerana ireo niharam-boina ary ny vaomieran’ny Fanorenana ifotony ny firenena sy ny Repoblika. Tsy nisy firesahana fandrafetana governemanta vaovao na fitsinjarana seza ny dinika omaly, hoy ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, filohan’ny FFKM. Ny filoham-pirenena ve izany dia handany iray andro maninjitra hatrany amin’ny asa izay sahaniny, nefa fanomanana ny fanatanterahana fihaonana any amin’ny Faritra no dinika, zavatra izay azony andefasana solontena midinika izany ? Mitaky mangarahara amin’ity fihaonana lava ity ny rehetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT