Politique

Filankevitry ny governemanta Tsy nanisy resaka momba ny Sata manokan’Antananarivo


  • Alarobia 25 Febroary 2015

Tsy nisy resaka momba ireo Kaominina manana Sata manokana ny Filankevitry ny governemanta natao omaly teny Mahazoarivo. Tamin’ny fampitam-baovao naparitaka ho an’ny mpanao gazety aza dia tsy nisy na andalana iray aza mitatitra izay zava-mitranga na hatao ao amin’ny minisiteran’ny Atitany. Miendrika hamehana anefa ny nilazan’ny minisitry ny atitany, Mahafaly Solonandrasana,

 

 ny alatsinainy teo, taorian’ny famindram-pahefana teny amin’ny CENI-T, fa haverina harafitra ny volavolan-dalàna hifehy ireo Kaominina manana sata manokana. Voakasik’izany Antananarivo Renivohitra, Nosy Be ary Sainte Marie. Raha ny nambarany tamin’izay dia hisy mihitsy fiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan’ny solombavambahoaka handinika azy io. Tsy nisy akony teny Mahazoarivo anefa ny momba an’izay omaly, sa nihemotra indray ? Ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra rahateo omaly manenjana fa tsy hanaiky velively ny mbola hisisihana hanaovana volavolan-dalàna hizarazarana an’ity renivohitr’i Madagasikara ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT