Politique

Filankevitry ny governemanta Nandinika ny satan’ny fifandraisana


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Nodinihina manokana omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly, ny volavolan-dalŕna momba ny sata

 


 

 manokan’ny fifandraisana (code de la communication) ka nahitana manampahaizana manokana  miisa telo avy tamin’ny firenena mikambana niaraka nidinika  tamin’ireo mpikambana  ao amin’ny governemanta nandritra ny ora maro. Handrindra farany ny sata ireto manampahaizana avy amin’ny firenena mikambana ireto alohan’ny handaniana ity sata manokana ity amin’ny filankevitry ny governemanta manaraka. Teo  anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana indray dia ny lahadinika  momba ny fanajana ny zon’ny ankizy sy ny mikasika ny fivarotana ny  ankizy amin’ny sehatra ara-nofo izay tafiditra ao amin’ny fivoriana mahakasika ny zon’ny ankizy hatao any Genève, Suisse amin’ny 28 septambra izao. Ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena indray dia tapaka tamin’ny filankevitry ny  governemanta ny fankalazana ny andro  iraisam-pirenena amin’ny  ady amin’ny tsy fahaizan-taratasy izay hatao eny Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo ny 8 septambra izao. Ary ho an’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny Vakoka dia tapaka ihany koa ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny « Forum sino-africain » hetsika ho fiarovana ny  kolontsaina izay hatao any Sina ny 7 ka hatramin’ny 12 septambra 2015.

 

Andry Ratovo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT