Politique

Filankevitry ny fampihavanana Malagasy Miantso ny feon’ny fieritreretan’ny HCC


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Mandala hatrany amin’ny maha raiamandreny azy ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM), hoy ny filohany, Maka Alphonse, ary manao antso avo amin’ny hisian’ny fitoniana sy filaminana amin’izao taom-baovao izao.

 

 

 

 Efa antsika ny fihavanana fa ny fanabeazam-boho azy no tsy haintsika, hoy hatrany ity filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ity. Ankatoka ny famoahana ny valim-pifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny fomba ofisialy avy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Misy ankehitriny ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Raha misy fitakiana dia aoka hatrany atao am-pilaminana sy ara-dalàna, hoy hatrany ny tenany. Azo toriana any amin’ny fampanoavana na “parquet” ny hosoka. Nisaoran’ity filoha ity manokana moa ny HCC nanalava ny fotoana ahafahana mametraka  ireo fitarainana maro samihafa. Miangavy azy aho, hoy I Maka Alphonse mba hitsara araka ny fahaizany sy ny feon’ny fieritreretany fa tsy sanatria hobaikon’ny vola na zavatra hafa.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT