Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fotoam-piasan’ireo mpikambana 22 mianadahy voafidy handrafitra ny filankevitra ambonin’ny mpitsara eto Madagasikara na CSM. Nihaona tamin’ny filoham-pirenena izay filoha mitarika ny CSM teny Iavoloha izy ireo, ka nandritra izany no nahafantarana fa dia hisy ny dinika handrafetana fitsipi-dalao sy fomba fiasa vaovao ho an’ny CSM.
Tsy sanatria hofoanana ny nisy teo aloha, fa misy ny fanatsarana tsy maintsy atao, hoy ny minisitry ny fitsarana. Nanambara kosa Atoa Hery Rajaonarimampianina fa miaina ao anatina fanjakana tan-dalàna isika, tsy maintsy ampiharina ny lalàna ary tokony hanatsara ny fiainam-bahoaka izany. Ary izany no mitondra ho any amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ilaina tokoa angamba ny fomba fiasa vaovao satria hatramin’izao aloha dia tsy mahatoky ny fitsarana ny Malagasy noho ny fisian’ny kolikoly diso tafahoatra ao ka ny olona manao ny marina indray no miditra am-ponja. Raha resaka fanjakana tan-dalàna indray dia mahagaga ihany izy ity, izay fehezanteny famerimberin’ny filoham-pirenena, kanefa toa ny manampahefana mihitsy eto amintsika no manao gaboraraka mitarika ny olona handika lalàna, ohatra azo raisina ary hita isan’andro ny fandikan’ireo manampahefana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.