Politique

Filankevi-pirenen’ny antoko Patram Nametraka baraingo amin’ilay fisondrotan-karama 7%


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

Nisafidy ny fahavitan’ny filankevi-pirenena nataony ny 15 sy 16 janoary ny Patram na ny Antokon’ny mpiasa malagasy vao niala tamin’ny fahanginana naharitraritra ihany izay ka naneho ny heviny mahakasika ny teo-draharaham-pirenena ankehitriny. Niainga avy amin’ny fanovozana ny hevitra nambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny lanonam-

pifampiarahabana teny Iavoloha tamin’ny zoma 9 janoary teo ny fandinihana ny raharaham-pirenena tao anatin’izay herintaona niverenantsika tamin’ny fitondrana ara-dalàna izay sy ny fandinihana ny raharahan’ny antoko Patram manokana taorian’ny roa taona nijoroany ary ny praograman’ny fitondram-panjakana mahakasika ny Mpiasa Malagasy. Amin-dry zareo Patram ary dia ankasitrahan’izy ireo ny ezaka rehetra atao mahakasika ny fampihavanam-pirenena mba hialana amin’izao krizy iainana izao ka hirosoana amin’ny fampandrosoana tena izy. Mikasika ny fampiakarana 7% ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia ambaran’ny Patram ny tokony hanaovan’ny fitondram-panjakana ny fifehezana ny sodrobidin’ny fiainana amin’ity taona ity mba hanalefahana ny fizakan’ny Mpiasa ny tsy eran’ny aina amin’izao fotoana izao. Tokony hihoatra 1% amin’ny sondrobidim-piainana amin-dry zareo izany fisondrotan-karama izany. Farany dia mahavelom-bolo kosa, hoy ny Patram, ny amin’ny tetikasa fanamboarana trano ho an’ny Mpiasam-panjakana mifanojo indrindra amin’ny politikan’ny Patram nefa tokony hovelarina kosa eo anivon’ny sehatra tsy miankina izany, tahaka izany koa ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena amin’ny famoronana asa vaovao fa tena fialana amin’ny fahantrana izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT