Nahatsiaro tena ho nailika tao anatin’ny fifidianana ireo olona miisa folo tarihin’i Alain Mahavimbina nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena teny amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) saingy tsy nankatoavina.
Taorian`ny fandavana ny fitoriana napetrak’ity vondrona K10 ity teo anivon`ny HCC ny alarobia 5 septambra lasa teo dia izao nitondra ny raharaha eo anivon`ny filankevi-panjakana izao indray ka nametraka ny fitoriana omaly maraina. Manao ny “recours en abusif” manoloana ny zavatra nataon’ny HCC ny K10 satria io lalàna io no nanaovan’ny HCC fanararaotam-pahefana, hoy i Alain Mahavimbina. Ny fanjakana nametraka fandaminana manambara fa ny daty fandrotsahana dosie dia ny 1-21 aogositra. Ny daty ho an’ny fanadihadiana ny dosie, dia ny 22-26 ary ny daty ho an’ny fampahafantarana ny kandida voatazona dia ny 27 aogositra. Hanamarihana fa mahafeno fepetra dia nalefa eny amin`ny filankevi-panjakana ny raharaha ka io rafitra io no manoro hevitra an`ny HCC izay manambara na manitsaka na tsia ny lalàmpanorenana. Ny tanjona eto, horaisina ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany hahafahany misedra safidim-bahoaka ankalalahana. Tsy angatahina ny zo fa azo ary zavatra ao anatin’ny lalàna ny anay ary tsy anjara asan`ny HCC no mametra ny zon`ny olom-pirenena, hoy hatrany ny filohan’ny antoko GARA.
Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.