Politique

Fikirakirana voka-pifidianana Nosedraina ny rindram-baikon`ny CENI


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Nanomboka omaly ary mitohy anio ny fisedrana ny rindram-baiko hikirakirana ireo voka-pifidianana amin`ny fihodinana faharoa eo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).

 

 

 

 Taorian`ny olana nitranga tamin`ny fihodinana voalohany no nandraisan`ny CENI ity fanapahan-kevitra ity hisedrana mialoha ny rindram-baiko ampiasaina eny amin'ny SRMV (Section de Recensement des Materiels de Vote) sy ny fanangonana izany eny amin'ny foibe miaraka amin`ireo solontenan`ireo kandidà sy ireo manampahaizana amin`izany. Tonga nanatrika tao ihany koa ireo manampahaizana avy amin`ny vondrona iraisam-pirenena tamin`ity fisedrana rindram-baiko ity. Nandray anjara ihany koa ny avy eo anivon`ny firaisamonim-pirenena. Ny zoma izao no fantatra fa hitondra ny heviny avy amin`ireo solontenan`ireo kandidà ny eo amin`ny fahatomombanana na fanatsarana tokony hatao.

Tetiandrom-pifidianana fihodinana faharoa

Ny 9 janoary 2019 no havoakan`ny HCC ny vokatra ofisialin`ny fifidianana faharoa hahalalana an`izay filoha vaovao hitantana ny firenena. Vao manomboka  ny taona vaovao 2019 dia hosantarin`ny CENI amin`ny famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa vonjimaika izany amin`ny 01 janoary. Enina (6) andro aorian`ny fotoam-pifidianana no fetra fahatongavan`ireo vokatra farany avy amin`ny sampana mpanisa vato (SRMV) ka fito andro aorian`izay no hamoahana ny vokatra vonjimaika. Izany hoe ny 25 desambra 2018 no tapitra ny enina andro ka ny 01 janoary 2019 no hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny CENI. Mahakasika ny biletà tokana dia ny talata alina no nigadona teto Antananarivo ny maodely ampiasaina amin`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

Marigny A.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT