Nanamafy ny hampiasana ilay sampandraharaha manokana misahana ny volamena na ny ANOR (Agence Nationale de la Filičre Or) ny filankevitry ny governemanta notanterahana omaly, mba hifehezana ny sehatry ny volamena eto Madagasikara.
Eo ambany fiahiana ara-teknikan’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ity ANOR ity ary iandraiketan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Anisan’ny loharanom-bolany ny hetra azo avy amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra momba ny fitrandrahana ny hetra avy amin’ny famoahana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka sy ny fanavaozana ny fitrandrahana ary ny hetra avy amin’ny fanangonana ny volamena sy ny fadrendrehana azy. Voatondro fa manana ny sata SA (Société Anonyme) ny ANOR ary ny fitondram-panjakana malagasy no tompon’ny petra-bola betsaka indrindra ao aminy. Tsikaritra avy amin’ity fanapahan-kevitra ity fa te hifehy tanteraka ny fitrandrahana, ny fikirakirana sy ny famarotana ny volamena eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Moa ve hahafoana ny afera maizina sy ny trafika tokoa izany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.