Politique

Fikirakirana ny voka-pifidianana Nanitrikitrika ny HCC fa tsy mitanila


  • Talata 08 Janoary 2019

Toy ny tamin’ny fihodinana voalohany, dia nikirakira avy hatrany ny ireo antontan-taratasim-pifidianana voaray avy tamin’ny SRMV na ny CENI ny HCC nanamarinana ilaina amin’ireo fitanana an-tsoratra (PV) sy ny taratasin-datsabato, hoy ny fanamarihana navoakany omaly.

 

 

 

Nifantohan’ny fandinihana ireo tsy fetezana samihafa mba hanaovana fanitsiana ka amin’ny fotoana ahitana lesoka goavana dia manao ny fangatahana ireo antontan-kevitra samihafa, ary afaka mitaky ireo bileta nampiasaina mihitsy hahafahana manao fanisana vaovao. Nanamafy ny HCC tao anatin’io fanambarana omaly io fa atao ao anatin’ny fahaiza-manao sy tsy fitanilana ny fikirakirana ireo fitoriana. Ny fanodinkodinana saim-bahoaka, ny lainga, ny fanompana, ny fanalam-baraka, ny finiavana hibaiko an-kolaka na mivantana dia tsy hanova azy amin’ny iraka masina hampanaovina azy. Tsy hiasa ho ana kandida, hery politika, firaisamonim-pirenena, fivavahana fa ho an’ny tombontsoa ambony iraisan’ny firenena ity andrim-panjakana ity, hoy ny fanambarana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT