Zavatra ahiana hitranga amin’izao fanangonana sy fikirakirana ny voka-pifidianana izao raha ny nambarana manampahaizana momba ny informatika iray ny hoe eo amin’ilay fampidirina ny vokatra ao anaty
solosaina mihitsy no efa misy rindran-kajy hafahafa natao hanome vahana kandida iray. Ahoana moa no mety hitrangan’izany ? Rehefa ampidirina ny isam-bato araka ny isany tao anatin’ny vata fandatsaham-bato dia mizara ho an’ny kandida A sy ny kandida B ; eo ihany koa ny hoe vato fotsy sy vato maty. Eo amin’izay no manomboka mipoitra ny ahiahy satria raha nisy nihevitra ny hangala-bato dia efa misy ny antsoina hoe : « valeur cible » napetraka dieny tany am-boalohany. Rehefa mandeha ny fampidirana ireo vokatra isan’andro dia manaparitaka ireo vato ireo araka izay baiko efa nomena azy amin’ny antsoina hoe : « fonctions existantes » ilay milina manao ny kajy. Amin’izao fifidianana izao dia miisa 2 ireo « fonctions existantes » fototra dia ny kandida laharana faha-13 sy ny kandida laharana faha-25. Mbola nisy koa anefa ireo « fonctions » hafa dia ny vato fotsy (Blancs) sy vato maty (Nuls) izay marihina fa raha nitambatra tamin’ny fihodinana voalohany izany hoe « Blancs et Nuls » dia nosarahana ary nalefa tsirairay kosa amin’izao fanangonam-bokatra fihodinana faharoa ity. Antony nampisarahana azy ireo, raha araka ny filazan’ny manampahaizana amin’ny informatika dia ny mba tsy hampibaribary ny fanodinkodinana vato (manipulation des voix) izay mety atao. Fa any amin’ny farany anefa dia efa misy ilay « valeur cible » henjehina izay kendrena hampandresy ilay kandida iray. “Ny ahiahy tsy hihavanana”, hoy ny Malagasy. Efa nisy ny fitsirihana natao tamin’ny rindram-baiko ampiasain’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mialoha ny fihodinana faharoa, saingy tsy fahadisoana kosa angamba raha misy fitsirihana na fanamarinana hafa mbola atao satria maro ny ahiahy amin’ny hala-bato sy ny hosoka ary efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy an’io ny avy ao amin’ny ekipan’ny kandida Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.