Namoaka fanambarana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena indray ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny filohan’ny governemanta Jean Ravelonarivo omaly alatsinainy. Tsy ela koa anefa dia tonga ny valin-kafatra avy amin’ny mpankasitraka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Azo ambara tsy am-pihambahambana, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace Ct teo aloha tafaresaka manokana tamin’ny gazety Tia Tanindrazana omaly, fa tsy mahatoky ny governemanta tantanan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ankehitriny ny Iraisam-pirenena matoa tsy mbola mivoaka ara-dalàna foana mandraka ankehitriny ny famatsiam-bola tokony ho azontsika. Tsy mahagaga izany, hoy ity mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, raha ny zava-misy eo amin’ny fitantanan-draharaha sy fanapahan-kevitry ny mpitondra ankehitriny no asian-teny. Dia ireny iaraha-mahita ireny ny mandroso mihemotra na atao dia tsy atao fanaon’ny mpitondra ankehitriny. Vao afak’omaly izao dia nilaza indray Atoa praiminisitra fa tsy tokony hanao izay tiany ary tokony hanaja ny fifanarahana ny prezidà Marc Ravalomanana ka tsy mahazo miteny an-kalamanjana. « Fa tsy ry zareo ihany ve no naniraka ity lehilahy ity hoe : Ravao amin’izay ny Magro Behoririka ary tsy nosakanana izy tamin’izany nikabary teo amin’ny vahoaka zanak’i Dada ? », hoy Atoa Randriamamiarizafy. Samy fitsarana malagasy iray ihany no nitsara ireo mpitondra fanjakana maro nifandimbidimby teto, hoy izy, ka nahoany ny sasany no miriaria tsy amin’ahiahy eto amin’ny tany sy fanjakana fa Atoa Marc Ravalomanana ihany no henjehina etsy sy eroa ? Tokony hanaraka ny tany tan-dalàna isika mianakavy, hoy ihany ny praiminisitra omaly. Fa oviana izany no nisy tany tan-dalàna teto amintsika ? Hay ve ka nisy fotoana tsy naha tan-dalàna antsika teto e ? Tokony ho sahy hilaza ny mpitondra ankehitriny fa tena nanimba an’ity Madagasikara ity mihitsy iny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny sy ny fitondrana tetezamita nentiny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.