Nivoaka tamin’ny fahanginany tetsy amin’ny biraony etsy Andravoahangy ihany koa omaly ry zareo avy eo anivon’ny antoko politika AKFM, tarihin’ny filohany Eric Rakotomanga, manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Ankoatra ny fanambarana izay nataon’izy ireo mikasika ny fanohanany kandida ho filoham-pirenena iray dia nilaza kosa ny AKFM fa fitadiavana hanaisotra fahefam-bahoaka ny fikasana hanemotra ny fifidianana tsy ho amin’ny 7 novambra izao. Mazava, hoy izy ireo, ny voalazan’ny andininy fahadimy ao amin’ny lalàmpanorenana fa ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana no masi-mandidy ka mampiasa izany amin’ny alalan’ny solontenany lany amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy misy mihitsy ampahany amin’ny vahoaka, na olon-tokana mahazo manendry tena hampiasa izany fahefana feno izany, hoy hatrany ny fampatsiahivan’ity antoko ity. Tsy ekena, hoy izy ireo, araka izany, ny fanemorana fifidianana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.