Manoloana ny resaka mandeha momba ny fitoriana napetraky ny vondrona Ambodivona ny amin’ny hanafoanana ny fanendrena ny Praiminisitra ny 14 janoary lasa teo dia nilaza ny mpahay lalàna Honoré Rakotomanana fa tsy mahefa ny raharaha ny filankevi-panjakana.
Nisy ny didy hitsivolana 2010/001 tamin’ny 10/01/2010 nanampy ny andininy faha-129 ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny fitsarana tampony milaza fa ny didim-panjakana manendry praiminisitra na minisitra dia tsy azo foanana ao amin’ny fitsarana, hoy izy. Araka izany dia tsy azo atao ny manafoana ity didim-panjakana ity satria sokajiana ho “acte de gouvernement “ ny fanendrena izay natao iny. Manoloana ny andininy 54 ao amin’ny lalàmpanorenana izay mamaritra ny fanendrena ny praiminisitra dia nilaza hatrany Atoa Honoré Rakotomanana fa misy ny dingana hafa azo atao toy ny fakana ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana saingy ireo lehibena andrim-panjakana ihany no afaka manatanteraka izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.