Herinandro sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra, ny mpifidy anefa dia mbola miandry foana ny hamoahan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny toromarika ilaina mikasika ny fizotran’ny fifidianana.
Nivoaka tamin`ny fahanginany ny SEhatra FAnaraha-maso ny FIainam-pirenena (SEFAFI) ary manahy izy ireo amin`ny mety hisian`ny fifandonana eo amin`ny samy mpamoaka vaovaon`ireo kandidà izay manam-baovao kokoa noho ny CENI amin`ny famohanana vokam-pifidianana ho avy eo. Tsy mitovy lanja ny fahefan`ny sasany amin`ny resaka serasera raha oharina amin`ny seraseran`ny CENI, hoy Sahondra Rabenarivo, mpikambana eo anivon`ny SEFAFI. Nilaza izy fa mbola betsaka ny serasera tokony ataon`ny CENI izay mbola tsy ataony. Misy zavatra mampisalasala sasany tokony harenina haingana : ny isa sy ny toeran’ny birao fandatsaham-bato, ny fizaràna sy ny fampiasàna ny karatry ny mpifidy, fanapariahana araka izay tratra ny santionany amin’ilay biletà, ny fomba fanaraha-maso ny fifidianana, ary ny fampahafantarana ny mpanara-maso sy ny fitsinjaràna azy any amin’ny birao fandatsaham-bato rehetra any, ny fahazoana ny vokatra any amin’ny tambajotram-pifandraisana... Ahiana ho taraiky izany rehefa mamoaka vokam-pifidianana ary mampirisika hatrany CENI hanatsara ny seraserany, I Sahondra Rabenarivo. Voakiana mafy ihany koa ny lisim-pifidianana satria araka ny nambaran`Atoa Zo Andriamandranto, tsy mitovy ny lisim-pifidjnana eny anivon`ny fokotany sy ny lisitra eny amin`ny CENI. Ekena fa misy ny fanentanana sy fanairanana ny olona raha ao anaty lisitra izy ireo na tsia. Misy zavatra sasany kosa tsy maintsy hamboarina toy ny RGPH3 na fanisam-bahoaka. Mametram-panotaniana ny SEFAFI hoe nanahoana ny kalitao an` iny fanisana iny? Tombana fotsiny araka izany ny tarehimarika navoakan`ny CENI hoy hatrany ny fanazavana. Tsy maintsy hirosoana kosa ny fifidianana na dia betsaka aza ny tsy mbola lavorary noho ny fampanjakana ny demokrasia. Hametraka lalampanorenana hampiaina ny demokrasia eto Madagasikara ny SEFAFI. Nanamafy kosa ny SEhatra FAnaraha-maso ny FIainam-pirenena fa tsy maintsy hirosohana ny fanamboarana io lalampanorenana io ary ao aorian` ny fifidianana dia mbola ho lehibe ny raharaha miandry.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.