Politique

Fikarakarana ny fifidianana Manara-maso akaiky ry zareo Afrikanina Tatsimo


  • Zoma 18 Mey 2018

Hitodi-doha hody any aminy anio ny delegasionina Afrikanina tatsimo avy ao amin`ny Electoral Independent Commission (EIC), izay mitovy amin`ny CENI eto amintsika sy ny avy ao amin`ny minisiteran`ny raharaham-bahiny Afrikanina Tatsimo.

 Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny praiminisitra lehiben'ny governemanta ny delegasiona izay notarihin'ny Ambasadaorony monina sy miasa eto Madagasikara, Rtoa Maud Vuyelwa Dloma ny talata lasa teo. Ny alarobia maraina indray dia nihaona tamin`ireo tompon`andraikitra teo anivon`ny minisiteran`ny fiarovam-pirenena. Ny tolakandro dia nihaona tamin`ny filohan`ny CENI Madagascar, Hery Rakotomanana, sy ireo teknisianina eo anivon`ity vaomiera misahana ny fifidianana ity ry zareo eo anivon`ny EIC. Nidinika tamin`ireo teknisianina ny  amin’ny fomba fiaraha-miasa amin’ny fikarakarana ny fifidianana, indrindra amin’ny lafiny ara-pitaovana sy ny fitaterana ny voka-pifidianana. Tsy nisy moa ny tatitra mahakasika an`ireo fihaonana ireo saingy ny azo ambara dia nifantoka tamin'ny fanamafisana orina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fandinihana ary ny fijerena ny zava-misy eto an-toerana momba ny resaka fifidianana ny fihaonana. Ny CENI rahateo dia efa nanao tsindry amin`ny fitondrana foibe ny amin`ny famoahana didy fampiharana ny datim-pifidianana mialoha ny 31 mey ho avy izao, rehefa namoaka fanapahan-kevitra mikasika ireo lalàm-pifidianana miisa telo ny teo anivon`ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Tokana ny vahaolana amin`izao toe-draharaham-pirenena izao, ny fidirantsika amin`ny fanatontosana fifidianana ihany saingy raha tsy vita hatramin`ny 31 mey izay fitoniana izay, tsy azo eritreretina ny hanatanteraka fifidianana amin`ity taona ity noho ny lafiny teknika.

 


 

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT