Politique

Fikarakarana ny fifidianana ben’ny tanŕna Efa ampy ny vola, hoy ny filohan’ny CENIT


  • Alakamisy 21 Mey 2015

Tsy misy atahorana ny famatsiana ara-bola ny fikarakarana ny fifidianana ben’ny tanŕna, hoy Atoa Ndriana Mamy Ralaiariliva, filohan’ny Cenit omaly tetsy amin’ny hotely Carlton.

 

 Efa namatsy  vola  tamin’ny  alalan’ny Pacem  ny firenena mikambana na ny Pnud  araka ny fanazavany ka ny  fanontana ireo  bileta  tokana no  tena vaindohan-draharaha. Mitentina 7 tapitrisa dolara moa ny anjaran’ny firenena Malagasy tokony mbola harotsaka eo anivon’ny PACEM, araka ny fanazavana farany avy amin’ny tompon’andraikitry ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana. Hiantoka ny fanontana ny biletà tokana sy ny fitanana an-tsoratra ho an’ny voka-pifidianana miaraka amin’ny valopy lavitry ny hosoka ny PACEM. Hanampy antsika amin’ny famatsiana ny ranomainty sarotra fafana sy ny kojakojam-pifidianana ihany koa ny governemanta indianina, araka ny fampitam-baovao nomen’ny lehiben’ny CENI-T omaly teny amin’ny Carlton Anosy. Tsy tokony hanana ahiahy  ny vahoaka sy  ireo kandida, hoy   hatrany  ny filohan’ny Cenit  fa ho lavorary ny fikarakarana. Mikasika ny volavolan-dalàna natolotr’ireo solombavambahoaka  eny Tsimbazaza mangataka ny hanoloana ny  Cenit ho CEI indray dia nanambara atoa Ndriana Mamy Ralaiariliva fa  raharahan’ny  Antenimieram-pirenena izany. Ny  hahazoana voka-pifidianana  azo antoka sy eken’ny besinimaro no tena tanjona, hoy  ny  Filoham-pirenena nandritra  ny kabariny  tamin’ny fanokafana ny fivorian’ny  vaomieran’ny ranomasimbe Indiana satria izany no  miantoka ny fitoniana  ara-politika eto Madagasikara ka asa raha ho tratran’ny Cenit ihany izany tanjona izany ?


Ramano F/Andry Ratovo    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT