Araka ny efa notaterina teto dia ao anatin’ny asa maika hataon’ny kaominina eto Antananarivo Renivohitra ny fijerena manokana ny zavatra hatao mba hisorohana fahasahiranana eny amin’ny faritra iva rehefa tonga ny vanim-potoan’ny orana.
Tsy nisy ny andraso andraso, fa omaly alarobia ihany dia efa nandefa iraka nijery ny zava-misy eny amin’ny fokontanin’Andranomanalina ny ben’ny tanàna. Anisan’ireo tena mitondra faisana io fokontany io rehefa miakatra ny rano eny ambany tanàna. Fako etsy sy eroa, lakandrano tsentsina, loto, fofona maimbo…no hita teny an-toerana. Maro ihany koa ny trano fonenana tsizarizary, tsy hisy ny fahagagana tampoka fa tsy maintsy misy kosa anefa ny vahaolana ao anatin’ny fohy ezaka sy any antenantenan’ezaka satria tsy azo jerem-potsiny ny fahasahiranan’ny mponina. Efa fantatra mantsy fa tsy maintsy hiakatra ny rano rehefa tonga ny orana. Handray ny andraikiny ny kaominina, manana ny adidiny koa anefa ny tokantrano sy ny olona tsirairay mba hanaja ny fahadiovana, hifehy tena ka tsy hanipy fako etsy sy eroa fa hametraka izany amin’ny toerana voatokana. Efa niomana Rtoa Lalao Ravalomanana ary nikaroka vahaolana na dia tsy vita akory aza ny fifidianana ka manana paikady mahomby izy sy ireo mpiara-miasa aminy momba ny fanangonana sy fikirakirana ny fako eto an-drenivohitra, fomba fiasa sy fitaovana io. Mbola ho avy moa ny fitsidihana ataon’ny kaominina ireo fokontany sy faritra maro mila asa maika eny ambany tanàna fa santatra fotsiny ihany ny teny Andranomanalina omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.