Na dia tsy manao politika aza ny FIkambanan’ny ZAnaky ny faritanin’i MAhajanga MItambatra (FIZAMAMI) dia tsy afaka ny hangina amin’ny maha olom-pirenena azy, hoy ny filohan’ny fikambanana, Bary Emmanuel Rafatrolaza, omaly tetsy amin’ny Live hotel Andavamamba.
Nanao fanambarana izy ireo fa miondrika am-panajana manoloana ireo namoy ny ainy sy ny fianakaviany ary mirary fiononana ho azy ireo noho ny zava-nisy teny Analakely ny sabotsy 21 aprily teo. Mirary fahasitranana ho an’ireo naratra ihany koa. Miantso fifampidinihana an-databatra boribory ny ankolafin-kery rehetra ny fikambanana ary mankasitraka sy manohana ny fifampiresahan’ny samy malagasy tarihin’ny FFKM sy ny FFM. Ny 12 mey izao moa no arahabaina amin’ny fomba manetriketrika eny amin’ny Club nautique Ivato ity filoha vaovaon’ny fikambanana izay lany ny 3 martsa teo ity amin’ny alalan’ny hetsika antsoina hoe Tsaboraha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.