Politique

Fikambanan’ny teraky ny faritanin’Antsiranana Efa manaitaitra sahady an’i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Nitodika sahady tamin’ny filoham-pirenena vaovao ny fikambanan’ny teraky ny faritanin’Antsiranana ny amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pandrosoana nandritra ny fampiarahabana nahatrarana ny taona 2019 tamin’ny herinandro farany teo tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Anataninarenina.

 

 

 Ho fampandrosoana an’i Madagasikara dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ny faritanin’Antsiranana, hoy izy ireo ary manantena ny fanatanterahana ireo vina. Nantitranterin’izy ireo ny tokony hanatanterahana ny tetikasa fanamboaran-dalana Ambilobe –Vohémar sy ny fanarenana ny lalana Ambilobe-Diégo izay efa tena potika tanteraka. Eo ihany koa ny tetikasa ANDRAKAKA izay tena andrandrain’ireto zanak’Antsiranana ireto satria io ilay fanorenana tanàna vaovao ao an-tampon-tanànan’i Diego. Mifandraika amin’ilay vina IEM nentin’ny filoha vaovao io, hoy izy ireo ary hitondra asa sy fampandrosoana goavana amin’ny faritra DIANA sy SAVA. Manao ranolava hatrany ny famerenana sy fitakiana ataon’ireo mpomba ny filoha vaovao taorian’ny nahalany azy ka inoana fa efa misy tetika matipaika amin’izany rehetra izany mba tsy handiso fanantenana ny vahoaka, indrindra ireo nandatsa-bato ho azy.

Tsirinasolo

   

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT