Manatanteraka fivoriana mandritra ny roa andro eny Talatamaty ny fikambanan’ireo Ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra nanomboka omaly, tarihin’ny filohany, Rado Razafindratsimba Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty.
Anisan’ny nivoitra ny fangatahan’izy ireo ny amin’ny tokony hanajana ny zony. Anisan’ireny ny tokony handoavan’ny fitondram-panjakana ny fanampiana ho azy ireo, izay mitentina 12 tapitrisa Ar isan-taona. Hatramin’ny taona 2017 no ho mankaty anefa dia tsy mbola nahazo izany izy ireo. Miankina amin’ireny karazana fanampiana ireny anefa no hahafahan’ireo Ben’ny tanàna mampihodina ny fiainan’ireo mponina ao aminy, toy ny asa fanamboaran-dalana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay tena mahazo vahana tokoa ankehitriny. Noresahin’izy ireo ihany koa ny ramatahora ataon’ireo solombavambahoaka toy ny fandrahonana. Manampy trotraka izany ny fitantanan’izy ireo ny vola tokony hotantanan’ny Ben’ny tanàna amin’ny alalan’ny CLD mitentina 200 tapitrisa Ar isan-taona isaky ny distrika iray. Nanambara moa Rado Razafindratsimba filohan’ny AMCRM ( Association des maires communes rurales de Madagascar) fa ny hisian’ny fampandrosoana marina eny anivon’ny kaominina no tena tanjona. Ny Ben’ny tanàna mantsy no tena mahalala ireo maharary ny vahoaka eny ifotony. Nomarihiny manokana fa misy amin’ireo Ben’ny tanàna ambanivohitra ihany koa no tsy manana fiara ka tokony homena satria voatery mandeha dia an-tongotra an-kilometatra maro rehefa hikarakara zavatra. Miantso ny amin’ny tokony hijeren’ny fitondram-panjakana azy ireo, araka izany, ny AMCRM. Mikasika ny tolona tanterahina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey moa dia nanambara ny AMCRM fa malalaka amin’ny safidiny ny Ben’ny tanàna tsirairay saingy tsy mitondra ny anaran’ny fikambanana fotsiny ny amin’izay fanapahan-kevitra na fanambarana hataony fa amin’ny anarany manokana ihany. Tsiahivina fa efa roa taona izao no nijoroan’ny fikambanana misy mpikambana hatrany amin’ny 400 isa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.