Politique

Fikambanana Zanak’Avaratra Hampandany an’i Marc Ravalomanana ihany koa


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Manohana tsy misy fepetra ny kandida N°25 Marc Ravalomanana amin'ny fihodinana faharoa, izay hatao ny 19 desambra izao ny fikambanana Zanak'Avaratra, tarihin’i Papa Soule, araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly,

 

 

 raha handeha amin’izany ny fanapahan'ny HCC anio. Fikambanana anisan’ny tena matanjaka hatry ny ela any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny izy io. Manao ranolava hatrany, araka izany, ny fanambarana ofisialy sy tsy mbola ofisialy amin’ny fahavononana hampandany an’i Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena indray, ary raisiny an-tanan-droa, fa tsy izy mihitsy no hanao ranon’Ikopa ka tonga namana vao mavomavo. Kandidan’ny Malagasy rahateo izy ary afaka miombona sy mampiombona ny rehetra fa tsy araka ny fanaratsiana sy fampisaraham-bazana voizina mafy ankehitriny. Efa maro amin’ireo kandida filoha teo no naneho ny fahavononany ny fanohanana ny kandida Marc Ravalomanana na tsy ofisialy aza. Inoana fa ho sesilany izany aorian’ny fanambarana voka-pifidianana hataon’ny HCC anio raha hizotra amin’izay ny raharaha. Efa mandeha ihany koa ny fifandresen-dahatra samihafa. Ny mahagaga amin’ny zava-misy, dia tsy nisy resaka raha nanao  fanambarana samihafa ny mpanao politika na vondrona politika nilaza ny fanohanany kandida iray satria zon’ny tsirairay izany. Nisy ohatra ireo namadika ny HVM, ka lasa niaraka tamin’i Andry Rajoelina, fa nalalaka tamin’izy ireny. Toa tsikaritra ihany anefa ny gafy rehefa aty amin’ny kandida Marc Ravalomanana no misy manohana, raha tsy hilaza afa tsy ny fanejehana mpandraharaha iray, izay na ambara aza fa tsy misy hidiran’ny politika dia hafahafa ihany ny fipetraky ny raharaha. Zon’ny antoko sy zo fototry ny olom-pirenena tsirairay ny manohana izay kandida tiany hotohanana. Mila madio saina ihany koa ny rehetra ao anatin’ny raharaha, ary efa endriky ny fampihavanam-pirenena ny mety fifanohanana amin’ny antoko sy fikambanana maro, toy ny HVM izay efa maro ny mpikambana maneho fahavononana, na tsy mbola misy aza ny fanambarana ofisialy avy amin’ny birao politika.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT