« Rodoben’ny Zay Gasy Sahy Mandroso » no hoentin’ny fikambanana Za’Gasy tarihin-dRatiarison Jean Navandahy manamarika ny tsingerin-taona faha-2 niorenany ny zoma 22 septambra izao.
Karazana « Carnaval » kely mihitsy ity hotanterahan-dry zareo ity izay hiainga eny Ambanidia, handalo eny Anakakely ary hipaka eny Ambohijatovo toerana hanaovana tatitra ihany koa an’ireo fitetezam-paritra mba hahafantaran’ireo kandidà ho filoham-pirenena ny hetahetan’ny tantsaha tamin’ny toerana nolalovana. Amin’ity fotoana ity ihany koa, hoy ny feo heno teny Ambohimitsimbina omaly, no hanambaran’ny Za’Gasy ny resaka politika hizorany sy izay kandidà hotohanany amin’io fifidianana ho avy io. Nambaran’i Jean Navandahy fa ao anatin’ny fanarahan-dalàna tsara no hanatanterahan-dry zareo an’ity hetsika ity satria mandala ny tan-dalàna ny Za’Gasy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.