Nanao hetsika mangina nilanja sorabaventy teo anoloan’ny masoivoho frantsay teo Ambatomena ny fikambanana Vondron’olon-tsotra (VOT) omaly misandran’andro, mitaky ny hamoahana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny hamerenana ireo nosy madinika (Iles éparses) amin’i Madagasikara.
Nanao vaky bantsilana ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nanamafy fa tsy hangina manoloana ny fitsabatsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ary hanohy hatrany ny fitakiana ny hamerenana malalaka ny filoha Marc Ravalomanana eo anivon’ny fianakaviany eny Faravohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.