Niatrika fiofanana teny Ambatonakanga ireo mpikambana eo anivon’ny Vondron’olon-tsotra eto an-drenivohitra ny Alarobia lasa teo, notarihin’ny filohany Rtoa Sarah Zoe. Anton’ny fiofanana ny mba hananan’ny mpikambana herin-tsaina sy fahasalamana hiatrehana ny fifidianana, indrindra manoloana izao savorovoro sy safotofoto misy eto amin’ny firenena izao.
Raharaha masina ny fifidianana hoy Rtoa Sarah Zoe ka ilaina ny fanohanana ny mpikambana tahaka izao hahafahana manatratra ny tanjona sy hananana vina tsara ho enti-mampandroso ny firenena. Ny dokotera Darsot Rasolofoniaina tera-tany Malagasy manam-pahaizana manokana avy any Marseille no nanome fiofanana azy ireo tamin’izany, nizara sy nampianatra ny teknikan’i Gregoire Grabovi, tera-tany Rosiana, anisan’ireo manam-pahaizana maneran-tany. Nitohy avy hatrany omaly zoma tetsy amin’ny Live hotel ny fiofanana, niarahana tamin’ireo olon-tsotra marobe. Teknika maro no nomena ny mpizaika tamin’izany hahafahan’izy ireny misondrotra amin’ny fiainana. Hahazo ny anjarany tsy ho ela kosa ireo mpikambana eo anivon’ny VOT any amin’ny faritra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.