Manao antso avo amin’ny eny ambany tanŕna rehetra sy ny vahoaka tsy vakivolo mba samy ho tony sy tsy hanaiky hatao fitaovana amin’ny fanakorontanana izahay Voarabe sy ireo mpiara-dia aminay toy ny « Grand corps de l’Etat»,
ny Escopoles, ny Kmsd, ny Antsiva, ny Fvtm, hoy Atoa Rasambozafy Cyrille filohany omaly teny amin’ny foibe toeran’ny fikambanana teny Anosibe raha namoaka fanambarana novakiany nanoloana ny mpanao gazety izy ireo tamin’izany. Efa tena teo ambavahoan’ny korontana tsy manan-tsahala no nisy ny firenena nefa noho ny didim-pitsarana tena tsy nitanila sy voavolavola tsara nataon’ny HCC dia voasoroka ny sarotra ary azo nihodivirana ny loza nitatao. Eo anatrehan’izany ary dia nanolotra fisaorana sy fankasitrahana manokana ny HCC ry zareo. Adidinareo no nataonareo, hoy ihany izy ireo, fa saingy tsapa loatra ny nilolohavanareo ho ambony ny tombontsoam-pirenena ka voatsinjo ny tsy hisian’ny korontana izay anisan’ny fototry ny fahasahiranam-bahoaka. Mandray ho adidy masina koa izahay ny fitondrana anjara biriky amin’ny fikatsahana ny fahatoniana araka ny andininy fahadimy navoakan’ny HCC. Manentana ny rehetra koa izahay mba hifanome tanana amin’ny fampanjakana ny fahatonina eto amin’ny firenena sy ny famaliana ny antso nataon’ny Filoham-pirenena ho amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoam-pirenena. Ny fifanatonan’ny rafitra mpanao lalàna sy mpanatanteraka no vahaolana hitan’ireto fikambanana ireto fa tsara amin’izao toe-javamisy ankehitriny izao fa ny vahoaka ihany no ianjadian’ny ataon’izy ireo raha ny marina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.